Manana olana na sahirana ve ianao amin'ny fanarahana ny vola sy ny entana ao amin'ny tsenanao ? Na misy fandehan-javatra tsy arakao ao amin'ny tsenanao ? Indro atolotray anao ny vahaolana :

ShopManager, Logiciel Fitantanana Tsena sy Varotra

Ho fantatrao avokoa ny zavatra rehetra ao amin'ny tsenanao. Tapitra hatreo ny kaonty tsy mazavazava, ny isan'entana tsy araka. Ho vaotahiry avokoa ny zava-miseo rehetra ao amin'ny tsena. Ho tsara tantana ny tsenanao

Kaonty mazava

Ho mazava ny kaontim-bola rehetra sy ny entana lafo mifanaraka amin'izany.

Entana voahara-maso

Fantatra foana ny isan'entana ao amin'ny tsena. Mora ny fanamarinana.

Mahazo tatitra

Azo avoaka isan'andro na isak'herinandro na isam-bolana.

Mivoatra

Afaka mandray fanapahan-kevitra mazava satria manana données marina.

Mombamomba ny ShopManager

Ireo tsara ho fantatra momba ny logiciel ShopManager

Mamaly ny filàna

Misy ireo zavatra rehetra ilaina momba ny varotra : Ticket de caisse, facture, ny vola maty sy ny stock.

Mora ampiasaina

Natao ho azon'ny olona rehetra ampiasaina. Tsy misy zavatra sarotra. Tsy mila fahaizana manokana.

Mora vidy

Hofaina amin'ny vidiny mirary. Manomboka amin'ny 40 000 Ar isam-bolana. Tsy misy contrat sy engagement.

Accès à distance

Afaka mahita ny zavatra rehetra ianao na dia tsy ao an-tsena aza. Azo sokafana amin'ny tablette sy smartphone.

Mivoatra lalandava

Izahay dia manatsara tsy miato ireo logiciel vokarinay. Misitraka izany maimaim-poana ny mpanjifa rehetra.

Azo ampiana

Raha manana filàna manokana ianao dia afaka mamaly izany izahay. Arakarak'ilay fangatahana ny sarany.

Tombony manokana ho anareo manana tsena any amin'ny toerana lavitra na manana tsena maromaro

Ho an'ireo izay manana tsena any amin'ny toerana lavitra dia afaka manaraka ny zava-misy rehetra ao amin'ilay tsena à distance.

Toizany koa ianareo manana tsena maromaro. Azonareo jerena à distance daholo ny zava-misy any amin'ny tsena tsirairay.

Tsy mila miandry fa hita eo no eo izay zavatra rehetra ataon'ny mpiasa ao amin'ilay tsena.

Mila manana connexion internet na wifi.

Hanandrana maimaim-poana

Izahay dia manolotra 15 andro maimaim-poana entina manandrana ny logiciel ShopManager. Antsoy avy hatrany ny laharana 034 51 151 35 na ny 034 19 037 77 na koa mandefasa mailaka any amin'ny contact@madasynergy.com

Hanandrana

SARY

Sarin'ny logiciel ShopManager eo am-perinasa

Fanontaniana mipetraka matetika

Valin'ireo fanontaniana mipetraka matetika

Inona avy ireo fitaovana ilaina ?

Ordinateur de bureau na portable misy connexion internet na wifi. Raha hampiasa ticket de caisse dia mila imprimante thermique (ao amin'ny Supreme betsaka). Raha hamoaka facture dia mila imprimante. Afaka sokafana amin'ny tablette na smatphone ihany koa ny logiciel ShopManager.

Misy formation ve ?

Eny. Vetivety ihany ny formation satria mora ampiasaina ny logiciel.

Misy contrat na engagement ve ny fampiasana ny logiciel ?

Tsy misy. Rehefa voaloha ny hofany dia mitohy ny fampiasana azy.

Ahoana ny fandoavana ny hofan'ny logiciel ?

Alefa Mvola na Orange Money.

Ahoana no angalana ny données ao anaty logiciel ?

Ny données ao anaty logiciel dia azo alaina amin'ny fotoana rehetra. Format excel sy PDF.

Hifandray / Hanandrana

Raha hifandray aminay na hanandrana ampiasa ny logiciel ShopManager dia fenoy ny formulaire eto ambany.

Finday

034 51 151 35 - 034 19 037 77

Mailaka

contact@madasynergy.com